Accueil  đŸ’ƒđŸŽ€ Paroles de chanson Française et Internationnales

 A   B   C   D   E   F   G   H   I   J   K   L   M   N   O   P   Q   R   S   T   U   V   W   X   Y   Z   0   1   2   3   4   5   6   7   8   9 
Artiste : Anisha Jo
Titre : Irery
Hé ha, hé
Hé ha, hé

Miposaka ny masoandro

Mangina aho aty e
Na ririnina ny andro
Na fahavaratra akia e
Na lohantaona
Na fararano
Ny hariva indray ny andro
Mbola mangina aho aty e
Mangina aho aty e

Ô manimanina any an-tanàna
Mahatsiaro ny any aminay e
Fa tsy afaka ny manoatra
Tsy afaka koa ny mba hitroatra
Mahatsiaro ireo tsikitsiky
Teo koa ireo nahakivy
Fa tsy afaka ny manoatra
Ny fiainako koa mba te hivoatra
Eh, manirery

Nibanjina ny lanitra na hariva na atoandro
Ny saiko lasa lavitra mahatsiarotsiaro
Mivavaka isanÂŽandro aho miantso ny Ray
Mba vimbino re ny lalako toy ny nataonao hatrizay
Sy mandrakizay

Ô manimanina any an-tanàna
Mahatsiaro ny any aminay e
Fa tsy afaka ny manoatra
Tsy afaka koa ny mba hitroatra
Mahatsiaro ireo tsikitsiky
Teo koa ireo nahakivy
Fa tsy afaka ny manoatra
Ny fiainako koa mba te hivoatra
Eh, manirery

Ray ĂŽ, tahio raha sitrakao ny fianakaviana

Ny sakaiza, ireo namana, ny mpiray tanindrazana
Ray ĂŽ, tahio re raha sitrakao ireo miasa fatratra
Ireo mikely aina, ny kamboty ny mpiray firenena
Ny mpiray firenena
Ooh, ooh-ooh-ooh